<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L. Mason</author>
<hymn_number>200</hymn_number>
<title>Rainay o Masina! FFPM200</title>
<lyrics>[V1]
 Rainay ô Masina !
 Tompon'ny lanitra,
 Izay tia anay ;
 Kiady sy mandanay
 Ho fiarovana,
 Izay hitokianay
 Mandrakizay.

[V2]
 Jeso ô, Tomponay !
 Lalana marina
 Amin'ny Ray !
 Fahamarinana
 Ary fiainana
 Azonay aminao
 Ry Tomponay !

[V3]
 Fanahy Masina ô !
 Irak'i Jesosy
 Tonga etý ;
 Manazavà anay
 Amin'ny maizina ;
 Ny hevi-dratsinay
 Esorinao !

[V4]
 Andriamanitra ô !
 Telo fa tokana,
 Tompo iray ;
 Aza mandao anay,
 Ory sy reraka
 Noho ny heloka
 Izay momba anay.

[V5]
 Aza tsaroanao
 Ny hadisoanay,
 Ry Tompo ô !
 Fa mamelà anay,
 Noho ny Zanakao
 Ka manomeza anay
 Ny fo madio.</lyrics>
</song>